|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : matoy

Ohabolana 1Akondro mahia latsaka an-doha sola : ny mahia manangatra ny matoy. [1.147 #A32]
Akondro mahia latsaka an-doha sola: ñy tsy matoy mañangatra ñy matoy. [2.165]
Fanazavana malagasyAkondro (ny voany) mahia latsaka an-doha sola: ny tanora indray no mamoafady ny antitra. [2.165]

Ohabolana 2Manolotra ny matoy ny fandrahana. [1.147 #M43]

Ohabolana 3Matoy vary be tsakitsaky : tsy olo-mijaly fa manan-kandiasana. [1.147 #M93]

Ohabolana 4Matoy vary mialina antadiña: hitany tsy hahatonga taona. [2.165]
Fanazavana malagasyMasa-bary mialina antadiny: fantany (hitany) tsy hahavita taona. [2.165]

Ohabolana 5Matoy vary vondrik’ aomby : omana ny naniny. [1.147 #M94]

Fizahan-teny