|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mibarareoka

Ohabolana 1Aza manao fahamanin-dreniondry : ao alatrano no mibarareoka. [2.415 #1270]
Aza manao fahamanin-dreniondry: ao alatrano vao mibarareoka. [2.653 #427]
Dikanteny frantsayNe regrettez pas à la façon de la brebis : c' est quand elle est hors de la maison qu' elle commence à bêler. [2.415 #1270]
Fanazavana frantsaySe disait des femmes répudiées ; et aussi de tout ce arrive trop tard. [2.415 #1270]

Ohabolana 2Manao toy ny alahelon-dreniondry : efa any alatrano vao mibarareoka. [2.415 #2614]
Dikanteny frantsayC' est comme le chagrin de la brebis : elle ne commence à bêler que lorsqu' elle est dehors. [2.415 #2614]
Fanazavana frantsaySe disait de ce qui arrive en retard, par exemple les larmes des pleureuses après que les funérailles sont terminées, les femmes répudiées qui regrettent trop tard. [2.415 #2614]

Ohabolana 3Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na mibarareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangani-bovona ho lambo aza, tsy miala, fa osy ihany. [2.653]
Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na miharareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangam-bovona ho lambo aza, tsy miala fa osy ihany. [2.974]
Ny osy : Na mitsangan-tandroka ho omby, na mibarareoka ho ondry, na midingin-drambo ho alika, na manangam-bovona ho lambo, na maniry somotra ho olona, dia tsy miala fa osy ihany. [2.558 #3207]
Dikanteny frantsayLa chèvre a beau avoir des cornes comme le bœuf, bêler comme le mouton, avoir une barbe comme l’homme, une queue comme le chien, une crinière comme le sanglier, elle restera toujours une chèvre. [2.974 #159]

Fizahan-teny