|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : olo-marina

Ohabolana 1Na mikorontana aza ny tsena, ny olo-marina tsy mba mivadi-po. [2.653 #2013]

Ohabolana 2Ny olo-marina ohatra ny vato lava sorona: izay ametrahana azy mety avokoa. [2.653]
Ny olo-marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy mety avokoa. [2.558]
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa. [2.165]
Dikanteny frantsayLes gens honnêtes sont comme une pierre longue servant aux sacrifices: on peut la placer n' importe où, elle exerce toujours son influence. [2.165 #101]

Ohabolana 3Ny olo-marina tahaka ny vato lava sorona ka izay hametrahana azy marina avokoa []

Ohabolana 4Ny olo-marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay. [2.415 #2968]
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana: tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay. [2.165]
Dikanteny frantsayGens honnêtes : ils sont comme les taureaux que l' on pousse au combat : pas vaincus aujourd' hui, jamais tués. [2.415 #2968]
Les honnêtes gens sont comme les taureaux que l' on pousse dans le combat: ils ne sont pas vaincus aujourd' hui, et ils ne sont jamais tués. [2.165]

Fizahan-teny