Teny iditra marina (arina)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Ilazana toerana mitovy tantana, tsy misy avo sy iva, tsy mikitoantoana: Lavoan-tany marina lahy ianao
¶ Ilazana toe-javatra mifanaraka amin' ny tena izy, tsy diso: Marina fa roa ampiana roa efatra
¶ Ilazana toetran' olona tsy mamitaka, tsy mandainga, manaraka ny rariny sy ny hitsiny: Mpampiasa marina Rabe fa omeny karama mifanentana amin' ny asa ataony avy ny mpiasa ao aminy [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy level; true; just, right [Richardson 1885, Hallanger 1973]
Famaritana frantsay de niveau; juste, vrai [Abinal 1888, Hallanger 1974]
 d'aplomb, droit [Abinal 1888]
Sampanteny 
Endriteny 
marina
marin-
marim-
mari-
mana, mana
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Tsy hita ihany izy ity izay marina [Andraina: I Vola, takila 7]
2Marina fa tsy mpiray tarika amin' izy telo lahy ireo [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 48]
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny marina ity (2): Ambalamarina, Vohimarina

Teny iditra mana (arina)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny mpamaritra marina [fitanisana]

Teny iditra mariña
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy  [Tanala] hendry, mipetraka tsara [Rakotosaona 1972]

2019/08/17