|
|
|
|

Teny iditra diso
Sokajin-teny mpamaritra
 Tsy marina: Diso izany filazanao izany
Meloka: Diso tamin-drainao ianao namaly boraingona azy
Tsy nahatratra: Diso fidirana Ilita ka voasazy ~ Diso rasa ianao ka ny taolana sisa ho anao ~ Diso fanantenana izy ka nitoloko
Tsy nahita, tsy sendra: Tratra aoriana loatra ianao ka diso azy
Tapaka, tsy tonga: Diso hadimiana ianao nandritra ny volana
Lavo tamim-pitondmn-tena: Diso tamin' izany tovolahy nanangoly azy izany, hono, i Bako
Maty: Ireo dimy ireo ihany ve ny zanakareo ~ Ireo no velona fa nisy roa diso, tompoko
Loatra: Diso masaka ireto voankazo ireto ka efa misy simba.
Mitovy hevitra: lavo ~ solafaka ~ tsontsa [1.1]
 Wrong, mistaken, in error, guilty, absent, missing. Used also in speaking of the death of the relatives of the sovereign. It governs the accusative case in the sense of missing some one, as: diso azy aho [1.2]
 Wrong; absent; lacking [1.7]
 Qui a tort; absent, manquant; faute [1.8]
Sampanteny 

Teny iditra diso
Sokajin-teny anarana
 Tsy fanaharan-dalana ara-pitsipika: Be diso ny lahatsoratrao [1.1]
 An error, failure [1.2]
 Faute [1.8]

Teny iditra diso
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
  [Bara] Mikisaka, mifindra toerana [1.78]

Teny iditra diso
Sokajin-teny mpamaritra
  [Sihanaka] Maty (olona) [1.78]

Teny iditra diso
Sokajin-teny Tsy lazaina
  [1.2]
Sampanteny 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/09