|
|
|
|

Teny iditra fisoronana (sorona)
Sokajin-teny anarana
 Fanafenana na tsy filazana amin' ny olona izay kilema ananany, nefa tsy hitany, na izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy izany na mikasika ny havany: Ny Ntaolo ihany dia efa nampitandrina antsika ny amin' ny fisoronam-bady ao an-trano [1.1]

Teny iditra fisoronana (sorona)
Sokajin-teny anarana
 Fikarakarana ny firehetan' ny afo amin' ny fandrosoana kitay ao am-patana: Nataon' ny Ntaolo ohatra ny fisoronana afon' Ikala adala: ny aloha tsy lany, hoy izy, nefa ny aoriana asesika ihany [1.1]
 L'action d'attiser le feu, l'instrument [1.3]
Ohatra Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tananasy rotsa-kazo. [2.470]

Teny iditra fisoronana (sorona)
Sokajin-teny anarana
  [Tambahoaka] [ fisoroñana ] Fivavahana, fanoloran-tsorona (toerana) [1.78]
 Fanaovana sorona:Fisoronana zanak'ondry no natao tamin'ny fetin'ny Paka tamin'ny Testamenta taloha. [1.1]
 L'action d'offrir un sacrifice, l'autel, l'instrument, le lieu, le motif [1.3]
Ohatra 
1Dia ho azy ireo, amin' ny lalàna mandrakizay ny fisoronana; [2.996]
2Ny fombam-pivavahana sy ny fisoronana no ankalazainy indrindra [1.38]
Lahatsoratra 

Teny iditra fisoroñana
Sokajin-teny anarana
  [Tambahoaka] Tsangambaton-tsampy [1.78]

Teny iditra Fisoronana
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
 (fanafohezana Fisor) na hoe Levitika = Izany no iantsoana azy, satria izy no mirakitra ny Lalàna mifehy ny fomban-pivavahana sy ny andraikitry ny mpisorona ary ny Levita [2.611]
Voambolana 
Tovy hevitra Levitika ~ Levitikosy
Lahatsoratra 
Lahatsiratra manontolo Baiboly iraizotra

Nohavaozina tamin' ny 2024/10/20