|
|
|
|

Teny iditra maka (aka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mandray, mangalatra: Nisy naka ny bokiko teto ambony latabatra
Mandeha mba hitady ary hitondra, miharana: Lasa naka rano any am-pantsakana i Soa, ary naka kitay any an-tsaha i Benaivo
Mandeha mba hiangavy (olona) ho tonga: Lasa naka dokotera i dada fa manavy ny zandrinay
Mandeha mba hitondra (zavatra) hiverina: Ndeha maka antsy atsy atsinanana atsy, ry Veto a! [1.1]
 To fetch, to bring, to take [1.2]
 To take, to fetch [1.7]
 Prendre, chercher [1.8]
Ohatra 
1tsy maka tsy an-tampon-kandrina, tsy mivoaka afa-tsy an-taro-po : mahavoa iny, mahafaty; [2.69]
2Amin' ny iray anie e, hoy indray izy mamerina ny hafatra sady maka toky amin' ny mpanofa. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : maka
Ny lasa : naka
Ny hoavy : haka
Filaza mandidy : ma

Teny iditra ma (aka)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao maka [Fitanisana]
Ohatra Abo toerana loatra io boky io ka makà tohatra [1.1]

Teny iditra maka
Sokajin-teny anarana
  [Tambahoaka] Volana fahafito amin'ny taona [1.78]
  [Taisaka] Volana fahaenina amin'ny taona (Jona) [1.78]
  [Bara] Volana fahaefatra amin'ny taona [1.78]
  [Bezanozano] Anaram-bolana fahavalo amin'ny taona [1.78]
Voambolana 

Teny iditra Maka
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
 Maka [2.996]
 Maacah [2.996]
 Maaka [2.996]
Voambolana 
Ohatra Makatita no natao anaran' ny mponina tao Maka [1.38]
Tovy hevitra Maakà
Lahatsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2025/04/28