|
|
|
|

Teny iditra mandroatra (roatra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mitera-droatra, misy raotrany: Mandroatra ny rano mianjera amin' ny riana
Enti-milaza ny vary handroina izay manomboka mamorivory: Efa mandroatra ny vary ka tsy ela dia ho masaka
Mirehitry ny hatezerana tampoka: Nandroatra foana tsy nisy antony teo izy
Mitovy hevitra: mifoabe ~ mifoaka ~ misafoaka ~ misamontotra ~ mitroatra [1.1]
 To foam, to boil over [1.7]
 Déborder en écume [1.8]
Ohatra mandroatra fotsiny toa ranon-tsavony sy mamoa-pofona hafahafa ny kafe azony. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mandroatra
Ny lasa : nandroatra
Ny hoavy : handroatra
Filaza mandidy : mandroata

Teny iditra Mandroatra
Sokajin-teny anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
 Petit fleuve de la préfecture de Morondava [1.11]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20