|
|
|
|

Teny iditra manondrana (ondrana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mandefa olona na zavatra hiampita amin' ny lakana na amin' ny sambo: Manondrana entana antaonina maro isan' andro ny ao Toamasina [1.1]
 Mandefa entana any ivelan'ny firenena [1.13]
 To put goods on board. [1.2]
 Embarquer quelqu'un ou quelque chose [1.3]
 Exporter [1.13]
Ohatra Kanefa raha tonga hateloana ny sambony ka tsy mizaha ny basy ny manamboninahitra, dia manondrana izy. [2.366]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : manondrana
Ny lasa : nanondrana
Ny hoavy : hanondrana
Filaza mandidy : manondràna

Teny iditra manondrana (ondrana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mihetsika hadalana: Manondrana indray Ikoto atsy avaratra
Manambady olon-tsy heny ka tsy nalam-paditra [1.1]
 To show foolishness, to act the fool [1.2]
 être imbécile, faire le fou
Commetre l'inceste, comme des cousins germains qui se marient sans dispense [1.3]
Ohatra fa izaho koa aza halina dia saiky tsy nahita tory akory, fa lasa tany aminy ihany ny eritre-ritro, satria manahy aho fandrao izy dia manangan-tsampona sy manondrana amin' iny hadaladalany iny, ka mahavoafady; [2.69]

Teny iditra manondràna (ondrana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manondrana [Fitanisana]

Teny iditra manondràna (ondrana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manondrana [Fitanisana]
  [1.1]
 Fais l'imbécile! [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/04/10