|
|
|
|

Teny iditra miray (iray)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mikambana: Tsy miray amin' olona ratsy fanahy tahaka an' ireny aho
Miombona zavatra tokana: Miray trano Rakoto sy ny zaodahiny (io hevitra io no hita amin' ny fombam-pitenenana maro toy ny hoe: miray hevitra, miray saina, miray tetika, miray fo, miray asa, miray dia...)
Mikambana amin' ny fanambadiana
Manao tokantranomaso, izany hoe miara-mitoetra tsy araka ny fanambadiana ara-dalàna: Efa telo tanàna izy roa ireo no niray
Mitovy hevitra: mikambana ~ miombona ~ mitambatra ~ mivondrona [1.1]
 Mivady [1.13]
 See Iray [1.2]
 To be united; to be of one mind [1.7]
 S'unir, être unis; être d'accord [1.8]
 S'accoupler [1.13]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miray
Ny lasa : niray
Ny hoavy : hiray
Filaza mandidy : miraisa

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/10