|
|
|
|

Teny iditra monina (onina)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mitoetra, mitomoetra, mipetraka: Monina any Antsirabe izy
Mijanona ela, mijanona maharitra: Tandremo sao monina any an-tsena any ise
Tsy mandeha fa mihandrona (rano): Misy rano monina ao an-tokotaniny ka izany no maha be moka ao aminy
Mitovy hevitra: maka toerana ~ mamitsaka ~ manorim-ponenana ~ mialokaloka ~ miampirina ~ milasy ~ miorin-dasy ~ mipetraka ~ mitoetra ~ mitomoetra [1.1]
 To dwell, to reside, to inhabit. Used of a place but not of a house. [1.2]
 To reside, to dwell [1.7]
 Résider, habiter [1.8]
Ohatra 
1Tamin' izaho nandalo tao Dar-Es-Salam, dia nahamarika fa maro ny Ajojo monina ao [2.471]
2ka raha monina ao, dia laniko vady aman-janaka [2.48]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : monina
Ny lasa : nonina
Ny hoavy : honina
Filaza mandidy : monèna

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20