|
|
|
|

Teny iditra roambinifolo
Sokajin-teny mpamaritra
Singan-teny roa, amby, folo
 Twelve [3.1]
 Douze [3.1]
Voambolana 
Ohatra 
1Ny tendrombohitra roambinifolo. [2.508]
2Ny heloka roambinifolo mahafaty. [2.508]
3Dia nirava tamin'ny roambinifolo ny famantaranandro. [2.366]
Tsipelina hafa 
Mpanahaka  Ny Tendrombohitra Roambinifolo

Teny iditra Roambinifolo
Sokajin-teny anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana]
Singan-teny folo
 Anarana ilazana ireo mpanjaka nolovan' Andrianampoinimerina ka voateniny matetika rehefa mahatsiaro ny razany izy: Rafandrana, Rafohy, Rangita, Andriamanelo, Ralambo, Andrianjaka, Andriantsitakatrandriana, Andriantsimitoviaminandriandehibe, Andriamasinavalona lehibe sy Andriamasinavalona zanany, Andriantsimitoviaminandriana ary Andriambelomasina. (T.A.I. tak. 253) [1.1]
Voambolana 
Ohatra Maty tokoa angaha izy roambinifolo manjaka? [2.298]

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/01