Teny iditra | aina | ||||
Sokajin-teny | anarana | ||||
Famaritana malagasy | Ny mahatonga ny zavatra ho velona:
Ny aina tsy afaky ny tompony ¶ Ny rivotra fohina sy avoaka mariky ny fahavelomana: Mideza loatra ilay fiakarana ka njanona kely naka aina aho fa sempotra ¶ Hery sy fahatanjahana: Be aina. ~ Tsy mahazaka an' io entana io Ikoto fa kely aina. ~ Manana aina izany raha olona [Rajemisa 1985] | ||||
Fandikana anglisy | life [Richardson 1885, Hallanger 1973] | ||||
animal life, strength. [Richardson 1885] | |||||
breath [Hallanger 1973] | |||||
Fandikana frantsay | Vie: Manao ny ainy tsy ho zavatra izy (Il ne tient pas compte de sa vie) ~ Ny zava-manana aina rehetra (Tous les êtres vivants) ¶ Le souffe animal: Makà aina kely hianao fa sempotra (Respirez un peu parce que vous êtes essoufflé) ¶ Vigueur, force, effort: Be aina izy (Il est vigoureux) ~ Kely aina izy (Il a peu de forces) ~ Nataoko izay tratry ny aiko (J'ai fait mon possible) ¶ Retrait ou dilatation des corps, comme d'une balle en caoutchouc, d'un ressort [Abinal 1888] | ||||
vie; souffle [Hallanger 1974] | |||||
Sampanteny |
| ||||
Endriteny |
| ||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||
Ohatra | Tsy izany anefa no voatiry rafi-kazo, na ny soavaly tsy hary mitovy aina. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 153] | ||||
Teny nalaina | Ohabolana misy io teny aina io | ||||
Teny iditra | a~ina | ||||
Sokajin-teny | tsirinteny saradroa | ||||
Teny iditra | AINA
![]() | ||||
Sokajin-teny | anarana (fanafohezanteny) | ||||
Association Amicale des Intellectuels Natifs d' Ambohimahasoa [NewsMada ] | |||||
Voambolana | Fikambanana | ||||
Tsanganana sy sary iray takila | fanafohezan-teny | ||||
Nohavaozina tamin' ny 2021/01/29 |
![]() |