Teny iditra asabotsy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy (Arabo es-sabt): ny andro fahafito ao amin'ny herinandro, manaraka ny Zoma, ary alohan'ny Alahady [1.10]
 Andro fahafito sady farany amin'ny herinandro. Araka ny finoan'ny Ntaolo, ny asabotsy dia andro mibontsina: fitomaniana ny maty, fanaovana ny famoizana sy afana. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Saturday [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay Samedi [1.3, 1.8]
 (var. sabotsy) Samedi [1.5]
Fanazavàna teny italianina Sabato [1.18]
Fanazavàna teny alemà Samstag. -- Das erste Spiel gibt es am Samstag nach der Sommerpause. Asabotsy tsy fiasana: ein arbeitsfreier Samstag. Synonym: Sonnabend [1.56]
Ohatra 
1Dia mangiana ny alin' ny asabotsy mifoha alahady. [2.470]
2Indray asabotsy hariva, mba tsy nidina tany an-tsaha izahay. [2.472]
Voambolana 
Tsipelina hafa 
Tsanganana sy sary iray takila Fizaran' andro
Ohabolana 

Teny iditra Asabotsy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (haitoetany) [fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy The place of holding Saturday's market. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay Nom des marchés qui se tiennent en ce jour. [1.3]
 Le marché du samedi [1.5]
Ohatra ao Amparihy ao Ambohimanga, sy eo Ambatondrazaka ao atsimo n' Ambohimanga, sy eo Anosibe ao atsimo n' Ambohimanga, sy eo Ambatomasina ao andrefan' Anosy eo avaratra Asabotsy, ary eo Andranomboahangy eo andrefan' Ankadimbahoaka, ary Andranomiry eo avaratr' Alasora, sy eny Farihy andrefan' Alasora. [2.48]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2020/11/22