|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  alakamisy
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.10] (Arabo El-khamis, na Al-chamisu: fahadimy; Soehily Alhamisi).

Alakamisy no andro voalohany tamin'ny razana; andron'Andriana, fisantarana ny zavatr'Andriana; andro fidin'ny Andriana hisehoana amin'ny ambanilanitra. Voalaza ho tenin-dRafohy, mpanjakan'Alasora, sahabo ho 400 taona lasa izay, ny hoe: "Anao ny Alakamisy, Andriamanelo, fa Andriamatoako ianao, ka ianao no manjaka voalohany". Alakamisy no nisehoan'Andriamanelo; Alakamisy no nihadiana ny hady voalohany, teo Alasora. Dia hita tantara toy izany: samy nanaja ny Alakamisy, Ralambo, Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina.

Misy toy ny petaka toko na tandrifin-drahona ihany ny an'ny ntaolo: nalainy ara-bakiteny ny hoe Alakamisy: maka (malaka) sy misy: andro tsara, andron'Andriana, mampisy fanambinana; ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy; sady andro ratsy koa anefa: mampisy loza -- fady dia fady ny mandevina Alakamisy, mbamin'ny miala saona, ny mamangy malahelo. Ny Alahady koa tsy fandevenana -- ankevitry ny noho ny teny hoe hady, ka mampihady fasana lava. Ny T. dia be no mifady Alakamisy, tsy miasa.

Ny olona teraka Alakamisy dia natao hoe Ikamisy, na Rakamisy, Andriamisy, Andrianisa (?) (isa, voalohany), raha vahoaka; fa ny andriana kosa: Ramisa, Ramisavola, Ramisamanjaka, Ramisarivo. -- Ny faditry ny andro Alakamisy dia ny akorandriaka. Raha ohatra la Alakamisy no ahatsinanan'ny Alahasaty, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa tsy manja mena amin'io andro io. -- Dia ao ilay fady, tandreman'ny ntaolo, tsy atao amin'ny andro ahaterahana: tsy mihety, tsy manala hoho.
4  [1.1] andro fahadimy amin'ny herinandro. Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana, fanantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany; andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty, dia miandry zoma alevina.

Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2] Thursday. [Ar. Al-chamisu - Fifth.]
6  [1.7] Thursday
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.3, 1.8, 1.5, 1.14] jeudi
8  [1.5] Amin'ny alakamisy (À jeudi)
Alin'ny alarobia hifoha alakamisy (La nuit du mercredi)
9  [1.6] [Tanala] jeudi [ar.: Kamsa, cinq, al-Kamis, jeudi]
Fanazavàna teny italianina  10  [1.18] giovedi
Fanazavàna teny alemà  11  [1.56] Donnerstag. Amin'ny alakamisy faha...: am Donnerstag, dem/den... Ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy: die Nacht von Mittwoch auf Donnerstag.
Ohatra  12  [2.59] Tamy ny andro alakamisy 1 Alahamady, 1 July 1886, nonitokanana ny trano fiangonana ao Anjanahary.
13  [2.324] Randriampeno dia nangataka mba hatao amin'ny iray volan'ny alakamisy ho avy, ary ny ray aman-dreniny nanaraka izany;
Voambolana  14  Fotoana
Anaran-toerana 
Ohabolana  18  Ohabolana misy io teny alakamisy io
Tsanganana sy sary iray takila  19  Fizaran' andro

Teny iditra (2/3)20  alakamisy
Sokajin-teny  21  anarana
Fanazavàna teny malagasy  22  [1.1] hazo anaovana fanafody Crateva excelsa.
Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina(Burasaia nigrescens).
Fanazavàna teny anglisy  23  [1.2] a tree used in house-building. It is said to be brought from the forest only on Thursdays, hence its name. Chips of the wood are used as a remedy for colic and indigestion.
Probably the same as the preceeding. Used by the Sakalava as a medecine for pains in the head.
24  [2.515] Burasaia crateva
Fanazavàna teny frantsay  25  [1.3] arbre dont on fait des remèdes.
26  [1.19] [Tankarana] nom d'une plante (?), écorce et feuilles utilisées en tisane contre les coliques.
27  [1.196] (de l'arabe al - chamisu = le cinquième, désigne le 5e jour de la semaine, c'est-à-dire le jeudi). C'était le jour réservé à honorer le souverain, les gens de caste noble, et considéré comme faste. Les plantes qui portent ce nom sont considérées comme de puissants fortifiants, donnant le pouvoir moral de surmonter les obstacles. Plusieurs d'entre elles sont effectivement riches en alcaloïdes. Ce sont principalement : [Bezanozano]
Schismatoclada psychotrioides Baker (Rubiaceae).
Euodia chapelieri Baillon (Rutaceae).
Crateva excelsa Bojer (Capparaceae).
Burasaia nigrescens Capuron Nom. In Sched.(Menispermaceae).
Crotalaria cytisoides Roxb. ex DC. (Fabaceae).
Ohatra  28  [2.48] alakamisy, asaina ny fakany, ary sotroina amy ny rano
Voambolana  29  Haizavamaniry: zavamaniry fanao fanafody
Anarana ara-tsiansa 
Teny nalaina  33  Soratra misy io teny alakamisy io

Teny iditra (3/3)34  Alakamisy
Sokajin-teny  35  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  36  [1.10] Raha nanorina ny tsena voalohany teto anivon'ny riaka Andrianampoinimerina dia ny tsena Alakamisin' Ambohimanga no voalohany indrindra, dia Anjoman'Antananarivo no faharoa, Asabotsin'i Namehana no fahatelo, Alahadin'i Lanifasana no fahefatra, Alatsinainin'Andranovintana (Alatsinainin'Ambohipoloalina ankehitriny) no fahadimy, Talatan'i Volonondry no fahenina, Alarobian'Amboanjobe no fahafito -- ireo tsena fiton'Andrianampoinimerina ireo no toy ny tsangambaton'ny filaharan'ny andron'ny ntaolo.
37  [1.1] anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io.
Fanazavàna teny anglisy  38  [1.2] the place where Thursday's market is held.
Fanazavàna teny frantsay  39  [1.3] les marchés du jeudi: l'emplacement du marché
40  [1.5] marchés du jeudi.
Ohatra  41  [2.48] Ny orimbato hoe Manganiha ny eo avaratr' alakamisy, sy ny orimbato eo Antsahamasina
Voambolana  42  Haitoetany: tanàna
Singan-teny  43  alakamisy

Fivaditsoratra  44  alakamisy, Alakamisy, misaliaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/04/25