Teny iditra (1/2) | 1 azo |
Sokajin-teny | 2 matoanteny mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 Lasa tompon-javatra: Azoko ilay loka lehibe 4 Tratra, voasambotra: Azon' ny saka ny voalavo 5 Voan' ny...: Azon' ny tazo tany an-tsiraka tany izy 6 Takatry ny saina: Sarotra loatra izany teny izany ka tsy azoko 7 Voaray: Azoko anikeheo ilay taratasy nalefanao afakomaly 8 Ananana fahafahana manao: Tsy azo idirana ato 9 raha misy ny teny atao ao aorianany dia manana izany hevitra izany koa izy: Tsy azo atao ny miditra ato [1.1] |
Fanazavàna teny anglisy |
10 possessed, allowed [1.2, 1.7] 11 had, got, understood, permitted, can, may. It is used before any passive or relative verb, in the sense of can or may, as: azo atao, May be done. It also takes the place of our English -able, and -ible in making words into adjectives, as azo hanina, edible. [1.2] 12 gotten [1.7] |
Fanazavàna teny frantsay |
13 gagné, obtenu ; compris ; permis [1.8] |
Ohatra |
14 ary raha izany, inona no haja sy voninahitra ho azoko; [2.293] 15 ary tsy hitanao angaha ity famonjena tampoka azontsika. [2.324] 16 Safosafo loha sy tambitamby no azony; [2.470] 17 izay mamin-dry zareo Raby jiosy fatratra ka notanany mafy, dia be hevi-dravina foana ka azo isaina koa ho karazan' ny "anganongano" voalaza eto. [1.38] |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Anaram-javamaniry |
|
Anaran-toerana |
|
Ohabolana | 66 Ohabolana misy io teny azo io |
Teny iditra (2/2) | 67 azo |
Sokajin-teny | 68 mpampitohy |
Fanazavàna teny frantsay |
69 à cause de, parce que: Tsy vita ny raharaha azon' ny tsy fahatongavanao (Cela n'est pas terminé, parce que vous n'êtes pas venu) [1.3] |
Tsanganana sy sary iray takila |
70 Ny mpampitohy rehetra |
Fivaditsoratra | 71 azo, oza, zao- |
Nohavaozina tamin' ny 2023/06/18 |