Teny iditra -dray
Sokajin-teny endritenin' ny hoe ray
Ohatra 
1Izy no Day tian-dray mamin-dreny. [2.245]
2izaho niera tamin-dray aman-dreny. [2.69]
3Velon-dray aman-dreny, tsy manjaka! [2.298]

Teny iditra dray
Sokajin-teny tenim-piontanana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Dray na Drey na Endrey na Adrey na Dray: tenim-piontanana voatonona amim-pahatairana raha misy mahagaga tsy nampoizina, na mahafaly tampotampoka, na misy maharary tsy aritra. (Ny tena ahalalana azy ho fanehoam-pahagagana, na hafaliana, na fangirifiriana anefa dia miankina amin' ny feo sy ny anononan' ilay olona miteny azy mbamin' ny fahitana ny endriny sy ny fihetsiny eo am-pitenenana). -- Indraidray ny dray dia atao solony tambinteny hoe: izaitsiizy na tokoa tokoa, ets.; ary ny fanao amin' izany dia ny Edrey, toy izao: Lafo dia dray izany peratrao izany! ~ Lafo dia edrey izany peratrao izany ! [1.10]
 Enti-milaza hatairana na hagagana na fangirifiriana koa aza indraindray: Dray! mahafinaritra izany fiposahan' ny masoandro avy any ambadiky ny tendrombohitra toa memy afo mivaivay [1.1]
Tsipelina hafa 

Teny iditra dray
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy  [Sakalava] A kind of fan-palm. Same as mokoty [1.2]
Voambolana 
Tovy hevitra mokoty

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31