|
|
|
|

Teny iditra1  fakam-panahy
Singan-teny  2 faka, 3 fanahy
Sokajin-teny  4  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  5 Teny ilazana ny fitaomana ataon' ny fanahy ratsy mba hampahalatsaka ny olombelona amin' ny ratsy: Tsy nahatohitra ny fakam-panahy izy ka namilivily ny volam-bahoaka
6 Zavatra mitarika na mitaona mafy ny tena: Fakam-panahy lehibe ho azy io zava-pisotro eo ambony latabatra io [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  7 tentation [1.5]
Ohatra  8  Mandositra ny fakampanahy aho! [2.5#]
9  Hahatohitra ny fakampanahy ve hianao rahavako, ka hahandry ny fiverenako? [2.499#]
10  Fa na inona na inona no hevitra momba izany, dia hita mazava fa ao ny fakampanahy mamely antsika [1.38]
11  Voan' ny fakampanahy ny sasany ka nangalatra ny volan' ny namany hividianany mokary [2.356#]
Tovy hevitra  12 fitaoman-dratsy
Mpanahaka  13  fitaomandratsy
Lahatsoratra  14 Randzavola: fakampanahy ao amin' ny Baiboly

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08