Teny iditra fanahy (hahy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fomba entina manahy na mamelatra zavatra amin' ny toerana talaky andro mba ho maina: Tsy toy izao, retsy, no fanahy vary, ry Ketaka [1.1]

Teny iditra fanahy (ahy)
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fomba entina manahy
Zavatra ao amin' ny olombelona entiny manahy ny amin' ny tenany, mampahatsiaro tena azy: Very fanahy mbola velona ohatra ny valala voatango
Zavatra mampiavaka ny olona amin' ny biby: Ny fanahy no olona.
Saina mieritreritra, fahendrena: Ny manam-panahy mody voky fa ny adala manesika ihany.
Ilay zavatra tsy mety maty fitambaran' ny saina sy ny sitra-po ao amin' ny olombelona izay misaraka amin' ny vatana rehefa maty ny olona mba ho any amin' ny fiainana any an-koatra: Hivavaka ho an' ny fanahin' ny maty isika.
Toetra: Manao fanahin-jaza.
Fahasalamana: Nahakepoka ny fandrenesana an-dRakoto maty tampoka: olona tsara fanahy izao izy no niala tao an-trano. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The mind, the seat of thought, anxiety, or care; care for, thoughtful concern; tact, disposition, character, intelligence, knowledge; the soul, the immortal part of man. See nahy. [1.2]
 The spirit, the soul; an attitude or temperament [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Esprit, âme; attitude ou tempérament [1.8]
Ohatra 
1Toetra no lazaina hoe fanahy eto. [1.316]
2Fa misy fanahy handalana, Re lahy! [2.69]
3Fanandratana ny fanahy maha-olona. [1.317]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : fanahy, fanahiko, fanahinao, fanahiny, fanahintsika, fanahinay, fanahinareo, fanahin', fanahin-, fanahim-
Tovonana : -panahy, -panahiko, -panahinao, -panahiny, -panahintsika, -panahinay, -panahinareo, -panahin', -panahin-, -panahim-
Tovy hevitra iniana ~ nahy ~ satry
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny Aingaim-panahy vaovao (Rajohns Barthélémy)
Ohabolana 
Lahatsoratra 

Teny iditra fañahy
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Bara] Fitaka [1.78]
Haiendriteny 
Tsotra : fanahy, fanahiko, fanahinao, fanahiny, fanahintsika, fanahinay, fanahinareo, fanahin', fanahin-, fanahim-
Tovonana : -panahy, -panahiko, -panahinao, -panahiny, -panahintsika, -panahinay, -panahinareo, -panahin', -panahin-, -panahim-

Teny iditra Fanahy
Sokajin-teny anaran-tsamirery (ara-baiboly) [fitanisana]
Ohatra Velona amin'ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny Fanahy [2.996]
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/16