Teny iditra fikambanana (kambana)
Sokajin-teny   anarana
Famaritana malagasy   Fiarahana maro, fitambarana: Ny fikambanana no hery
¶ Antokon' olona vitsivitsy na maro miray noho ny asa, raharaha, hevitra politika, zava-kanto iombonana: Ny fikambanan' ny Mpanoratra sy Poety [Rajemisa 1985]
   fikambanana maroraritsana: fikambanam-barotra na fanaovana taozavatra iza avy amin'ny firenena maro ny tompony ary miasa any amin'ireny firene na' ireny ny rantsany [SLP: Voambolana]
Famaritana anglisy   a society, an organization [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay   société, organisation, congrégation, association [Hallanger 1974]
Famaritana frantsay   groupement, association, organisation
¶ fikambanana maroraritsana: société multinationale
¶ fikambanana miafina: organisation secrète [SLP: Voambolana]
Ohatra  
1Vitsy foana no mpamboly tsy isan' ny fikambanana. [Rakotozafy: Ratsimba, takila 72]
2Efa hitan' ny masonareo koa ny herin' ny fikambanana. [Dahle: Angano, takila 132]
3Mitondra ny anaran' ny fikambanana ihany ny faritra voavoly. [FOFAFIPE: Haivola, takila 67]
4Lanin' ny sainao izao ny rijan-kevitra ajoron'ny fikambanana iray! [Andriamalala: Fanagasiana, takila 50]
Kamban-teny, lohateny, anarana  
Teny nalaina  
Fifanahafana   fikambanana

Nohavaozina tamin' ny 2017/10/07