|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  hetra-
Sokajin-teny  2  endritenin' ny hoe hetrana

Teny iditra (2/4)3  hetra
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny malagasy  5  [1.1] (taloha) Velaran-tany nomen' Andrianampoinimerina ny fianakaviana tsirairay avy izay nahavoka-bary nivelomany nandritra ny herintaona (eo amin' ny roapolo vary eo ho eo, na 240 dcl); io vary azo tamin' ny hetra io dia nakana am-pahany ho an' ny mpanjaka (inenin' ny vata) ka avy amin' izany kosa indray no nampiova ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana
(ankehitriny) Vola aloa amin' ny fanjakana maha-olom-panjakana ny tena, ka misy atao hoe hetra isandahy (vola aloan' ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona izay efa nofoanana ankehitriny), ary ny hetrantrano, tany, omby...; izany hoe vola tsy maintsy aloa isan-taona amin' ny harena ananana
Fanazavàna teny anglisy  6  [1.7] Taxes
Fanazavàna teny frantsay  7  [1.8, 1.5] Impôt, taxe
8  [1.5] Redevance
Ohatra  9  [4.27#] Azo anaovana fitakiana aty aoriana ny mpandoa hetra nanadino nanambara ny hetra izay zakainy, na nanao hosoka tamin' ny sara tsy hita fototra.
10  [2.508#] Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-17, dia dia efa nampanaiky an' Antsihanaka Andriamandisoarivo, Mpanjakan' i Boina ka nampandoa hetra azy.
Voambolana  11  Toe-karena: ara-bola ary fitantanana
Haiendriteny 
12  Tsotra :
13  Tovonana :
Kamban-teny 
Lohateny  20  Hetran-drà (Rapatsalahy Paul)
Ohabolana  21  Ohabolana misy io teny hetra io
Lahatsoratra  22  Randzavola: hetra ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (3/4)23  hetra
Sokajin-teny  24  anarana
Fanazavàna teny malagasy  25  [1.1] Anarana hafa ilazana ny fehikibo.
Fanazavàna teny frantsay  26  [1.5] Ceinture
Sampanteny 
27  Matoantenin' ny mpanao :
28  Matoantenin' ny iharana :
29  Matoantenin' ny fameno :
30  Anarana :
31  Mpamaritra :
Tovy hevitra  32  fehikibo, fehinkibo

Teny iditra (4/4)33  hetra
Sokajin-teny  34  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  35  [1.19] [Tankarana] depuis que. § hàtra.
Tovy hevitra  36  faitra

Fivaditsoratra  37  hetra, hetra-, treha

Nohavaozina tamin' ny 2025/02/08