Teny iditra izatỳ (itỳ)
Sokajin-teny mpisolo anarana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Enti-manondro zavatra na olona somary takontakona ka ny halaviran-toerana tondroiny dia mitovy amin' ny tondroin' ny fototeny niaviany "ity" ihany: Tiako loatra izaty tanàna kely ato ambany andrefana voaravaka voninkazo. Matetika koa anefa ny "izaty" dia mpamaritra anarana enti-manambony na manindrahindra zavatra: Endrey! izaty tarehin-trano! na mamaritra mpisolo anarana misolo olona: Manao ahoana izaty izy? [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Celui ou celle qui est là-bas, ce qui e [...] [tohiny 1.5]
Ohatra ry havana, fa malahelo ahy tokoa izaty ikaky sy ineny; [2.69]
Tovy hevitra izato ~ izatony
Tsanganana sy sary iray takila ny mpisolo rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/22