Teny iditra |
kalanoro
|
Sokajin-teny | anarana
|
Famaritana malagasy | [Betsileo]
Karazam-bomanga izay mena ny hodiny ary mena na mavokely ny atiny (Ipomoea batates) [Rajemisa 1985]
|
Voambolana |
Anarana siantifika | Ipomoea batates |
Mpanahaka |
kalamavo ~
kalamena ~
kalamongo ~
kalavory |
Ohatra | Hany heriko dia nianina tamin' ny fihainona ny tantara valamaty ataon' izay nilaza ho efa tao : betsaka kalanoro, hono, ao; [Andriamalala: Ranomasina, takila 51]
|
|
Teny iditra |
Kalanoro
|
Sokajin-teny | anarana (olon' ain' ny tantara)
|
Famaritana malagasy | Zavamananaina toa olona kely, madinika sy fohy, voalaza araka ny honohono fa mivelona any anaty hazo [Rajemisa 1985]
|
Fandikana frantsay | Nom d’une naine fabuleuse censée habile dans la médecine [Abinal 1888]
|
Voambolana |
Ohatra | Tsy ampy anefa ny filazana ataon' ireo efa nahita ny Kalanoro. [Randriamamonjy: Tantara, takila 31]
|
|