Teny iditra kobaka am-bava, volana hatenda
Singan-teny kobaka am-bava ; volana hatenda
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Teny foana lazain' ny vava ary fampanantenana hatreo an-tenda ka tsy misy tanteraka; teny be fampanantenana eo am-bava fotsiny fa tsy arahim-panatanterahana [1.1]
Ohatra 
1Ka aoka izay, Andriamatoa, hianao mpanao volana an-tenda sy kobaka am-bava, ka hatretsy no ho miakatra ihany. [2.69]
2maty aho ray vahoaka
fa nilazan'olona ny kobaka am-bava
ny volana an-tenda
ka ny vavany nalefaka androtr'izay
no namoizako ny ahy tsy foiko
[2.131]
3ka aoka izay Andriamatoa
hianao mpanao volana an-tenda
sy kobaka am-bava
[2.131]

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/20