Teny iditra (1/2) | 1 lalitra |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Bibikely misy elany roa fatra-pipetrapetraka eny rehetra eny ka mitondra loto amin' ny tongony na ny faraingom-bava fitsentsefany, ary izany no mahatonga azy ho mpamindra aretina tsy anerany |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.2] a fly [Mal. lalat; amboyna lali] 5 [1.7] a housefly |
Fanazavàna teny frantsay |
6 [1.8] mouche 7 [1.13] mouche, drosophile |
Ohatra |
8 Inona no fanaon' ny olona raha misy lalitra? [2.270#] 9 Nifanehatra tamin' ireo vitsika izy, sendra moka sy lalitra koa. [2.445#] 10 Iray fanahy amin' ny lalitra izy ireny, ka ny maloto no mahavelombelona ny ainy. [2.285#] |
Voambolana |
11 Haibiby: tsy manan-kazon-damosina |
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Anaram-biby |
|
Anaram-javamaniry |
|
Ohabolana | 20 Ohabolana misy io teny lalitra io |
Lahatsoratra |
21 Randzavola: lalitra ao amin' ny Baiboly |
Teny iditra (2/2) | 22 lalitra |
Sokajin-teny | 23 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
24 [1.1] Anaran-karatra filalaovana iray izay misy sari-na kodiadiamborona |
Fanazavàna teny anglisy |
25 [1.7] clubs at cards |
Fanazavàna teny frantsay |
26 [1.3, 1.8] trèfle au jeu de cartes |
Voambolana |
27 Kilalao |
Tovy hevitra | 28 elatra |
Mpanahaka | 29 joro, samamena, tangontsotrobe, karatra |
Sary |
|
Fivaditsoratra | 31 lalitra, lilatra |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |