Teny iditra (1/2) | 1 lelafo |
Sokajin-teny | 2 filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana lelafina [Fitanisana] |
Fototeny | 3 lela |
Teny iditra (2/2) | 4 lelafo |
Sokajin-teny | 5 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
6 [1.10#A84] esona (gaz) mirehitra. Hita izany eo amin' ireo fanaovan-jiro etona (gaz d'éclairage sy gaz acétylène, ets.) fa: raha vao vohana hipololotra ny gaza, ka tsoloana afo, dia miredaka. Toy izany koa no mampahery lelafon' irony fatana atao how "primus", satria ny gazan-tsolitany no mirehatra eo. Izany koa no mahatonga ny kitay hazo na ny labozý, ets. hisy lelafo: mamoaka gaza mety mirehitra izy ireny eo am-pirehatana. Ny zavatra sasany kosa -- tahaka ny arin-kazo, na ny faikan' arintany (coke) -- izay efa nesorina na nohakelezina fatratra ny etona mety mirehitra ao aminy -- dia tsy mamoaka lelafo loatra, fa dia mivaivay fotsiny. Ny etona (vapeur) sasany koa, ny elektirisite, dia samy mety hisy lelafo. 7 [1.10#L204] [lela-afo] Gaza mitarehin-dela mazava sy mafana avy amin' ny zava-mirehitra |
Fanazavàna teny anglisy |
8 [1.2#387] a flame, a blaze |
Fanazavàna teny frantsay |
9 [1.3] flammes |
Ohatra |
10 [2.895#177] Efa nananika ny rambon-tsalakany ny lelafo. 11 [2.996#26.8.6] Ny lelafo|lelafony|lelafon'ny dia lelafo|lelafony|lelafon' midedadeda, eny, lelafo|lelafony|lelafon'n' i Jehovah. 12 [2.445#32] Raha vohako izy ka tselarako afo dia mamoaka lelafo mivaivay. 13 [2.499#] Iny nisy lelafo nijoalajoala indray mandeha, dia lavenona no sisa. 14 [2.470#44] Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tanana sy rotsa-kazo. |
Singan-teny | 15 lela, afo |
Haiendriteny |
|
Ohabolana | 18 Ohabolana misy io teny lelafo io |
Nohavaozina tamin' ny 2025/04/19 |
![]() |