Teny iditra (1/3) | 1 mavesatra |
Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Be lanja manindry mafy: Entana mavesatra Mihoninkonina, tsy kinga, milondolondo: Mavesatra ery izany famindranao izany manelonelo: Mavesatra ny andohako Dombo, donto, tsy mailaka: Mavesa-tsaina izany raha olona |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] heavy |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.3, 1.8] lourd, pesant 6 [1.3] lourdement chargé |
Ohatra |
7 [2.470] Tsotra sy mavesatra anefa ny teniny: 8 [2.298] Izahay mpamory fotsiny ihany, ary mpanainga mavesatra. 9 [2.472] Endrika mavesatra anefa no namalian' i Donga izany fandraisana azy izany. 10 [2.576] Nandritra ny taona maro, nihevitra izy ho hany irery vavolombelon' io tsiambarambara mavesatra io. |
Fototeny | 11 vesatra |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Mpanahaka | 16 mitondra rano, mazefatra, mitsinaka, mazefatra, mafonja, madonda, manònja, maonjana, tsy zakan' olo-mahia, mitambesatra, mitambaby |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 18 Ohabolana misy io teny io |
Teny iditra (2/3) | 19 mavesatra |
Sokajin-teny | 20 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
21 [1.1] Bevohoka: Mavesatra izy fa omeo toerana |
Fanazavàna teny frantsay |
22 [1.3] enceinte |
Fototeny | 23 vesatra |
Teny iditra (3/3) | 24 mavesatra |
Sokajin-teny | 25 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
26 [1.1] sady lehibe no manahirana, sarotra entina: Mavesatra ny mitondra fanjakana |
Fanazavàna teny frantsay |
27 [1.3] pénible, intolérable, cuisant de grand prix, de grande valeur |
Fototeny | 28 vesatra |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |