Teny iditra midadasika (dadasika)
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Lehibe, migodana: Midadasika ny kianja eo Mahamasina
Mitovy hevitra: be sakana migodana ~ lava ezaka ~ lava oroanana ~ malalaka ~ midadasika ~ tsy azo veroka ~ tsy hita avanavana ~ tsy hita fetra ~ tsy hita lany ~ tsy hita noanoa ~ tsy hita pesipesenina ~ tsy hita popòka ~ tsy taka-basy ~ tsy taka-pololorina ~ tsy takatra eritreritra [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy wide and level [Richardson 1885]
 spacious, extensive [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay Etre spacieux, vaste, large, énorme, d'une forte carrure: Midadasika io tendrombohitra io (Cette montagne est énorme) [Abinal 1888]
 être spacieux, vaste [Hallanger 1974]
Ohatra 
1Lahasaha lemaka sy tena midadasika no tazany ery ambany. [Andraina: Mitaraina, takila 199]
2Nitsinjaka izy sy ny ankizy, dia nitotorebika nanao fari-bolana hitsipy sandry eran' ny ahi-maitso mavan' ny ranomasina midadasika. [Andriamalala: Zazavavindrano]

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31