Teny iditra tsy hita pesipesenina (tsy, hita, pesipesenina)
Sokajin-teny fomba fiteny
Famaritana frantsay completement invisible, incompréhensible [Abinal 1888]
Teny mitovy hevitra tsy hita hirangirana ~ tsy hita lavadavaka ~ tsy hita noanoa ~ tsy hita velively ~ tsy hita zambazamba
Ohatra 
1Ho tsy hita pesipesenina ny zavatra simba sy olona maty. [Andraina: Mitaraina, takila 113]
2Nolazainy tamin'io fa ny trano firaketana ao Jerosalema dia feno vola mihoa-pampana, misy harena tsy hita pesipesenina [Baiboly: 21:003:006/Makabeo II 3:6..]

2013/10/10