Teny iditra midiridiry (diridiry (diry))
Sokajin-teny mpamaritra
Famaritana malagasy Henjana: Inona no nohanin' ity zaza ity no midiridiry ohatra ny amponga ny kibony
¶ (maso) Mivandravandra sy misokatra be: Nidiridiry ny masony nijery ahy ka natahotra aho
¶ Tsy milefitra, tsy azo folahina (na ara-bakiteny no akana ny hevitra na an' ohatra): Nidiridiry ny tongony havia
¶ Miziriziry, mikiribiby: Nidiridiry amin' ny heviny izy ka tsy hita izay hanaovana azy
Mitovy hevitra: mihinjihinjy ~ mihinjitra ~ miziriziry [Rajemisa 1985]
  [Tambahoaka] miridiridy [Rakotosaona 1972]
Famaritana anglisy stretched to the full, tense, swollen hard [Richardson 1885]
Famaritana frantsay Etre tendu, gonflé [Abinal 1888]
Ohatra Ramanambeloma vinitry ny hatezerana sy midiridiry maso no tazana teo an-tokonana, nony nivoha ny varavarana. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 157]
Teny nalaina 

Teny iditra midiridiry (diridiry (diry))
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy  [Rajemisa 1985]
Famaritana frantsay s'obstiner [Abinal 1888]

Teny iditra midiridiry (diridiry)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana anglisy to stare at [Richardson 1885]
Endriteny 
midiridiry
nidiridiry
hidiridiry
midiridiria

2016/06/26