|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  midoboka
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Midafoka mafy ka mirohana sy migoboka: Andeha isika fa midoboka ny amponga ~ Nisy nanipy vato tao amin' ny farihy ka nidoboka ny rano
Mipaika: Nidoboka ny foko teo am.piandrasana ilay vaovao
Misamonomonona: Midoboka ny roina misy rano
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] to thump; to sound like a drum
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] donner un son de tambour; produire des sons sourds ou mats
Ohatra  6  [2.499#] Ny ranomasina midoboka moramora.
7  [2.69#] Inona ary izany : Mivelatra ilay malemy, ka midoboka Raotozafy?
8  [2.356] Farany, iry erý ny tranon-dry Dada ! midobodoboky ny hafaliana ny am-bavafo.
9  [2.471#] Dia ho izay henonay midoboka izay tokoa ve ny vatan-tsambo midona amin' ny vato?
Voambolana  10  Feo
Fototeny  11  doboka
Haiendriteny 
12  Ny ankehitriny :
13  Ny lasa :
14  Ny hoavy :
Tovy hevitra  15  midobodoboka
Mpanahaka  16  mitepotepo, mitotototo, mitotovary

Teny iditra (2/2)17  midoboka
Sokajin-teny  18  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  19  [1.1] Mitoetra, mipetraka, mijanona elaela amin' ny toerana iray: Nidoboka tany an.tsena tany ry zareo
Fototeny  20  doboka

Fivaditsoratra  21  mibodoka, midoboka

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21