Teny iditra (1/2) | 1 midoboka |
Sokajin-teny | 2 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Midafoka mafy ka mirohana sy migoboka: Andeha isika fa midoboka ny amponga ~ Nisy nanipy vato tao amin' ny farihy ka nidoboka ny rano Mipaika: Nidoboka ny foko teo am.piandrasana ilay vaovao Misamonomonona: Midoboka ny roina misy rano |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] to thump; to sound like a drum |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8] donner un son de tambour; produire des sons sourds ou mats |
Ohatra |
6 [2.499#] Ny ranomasina midoboka moramora. 7 [2.69#] Inona ary izany : Mivelatra ilay malemy, ka midoboka Raotozafy? 8 [2.356] Farany, iry erý ny tranon-dry Dada ! midobodoboky ny hafaliana ny am-bavafo. 9 [2.471#] Dia ho izay henonay midoboka izay tokoa ve ny vatan-tsambo midona amin' ny vato? |
Voambolana |
10 Feo |
Fototeny | 11 doboka |
Haiendriteny |
|
Tovy hevitra | 15 midobodoboka |
Mpanahaka | 16 mitepotepo, mitotototo, mitotovary |
Teny iditra (2/2) | 17 midoboka |
Sokajin-teny | 18 matoantenin' ny mpanao |
Fanazavàna teny malagasy |
19 [1.1] Mitoetra, mipetraka, mijanona elaela amin' ny toerana iray: Nidoboka tany an.tsena tany ry zareo |
Fototeny | 20 doboka |
Fivaditsoratra | 21 mibodoka, midoboka |
Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21 |
![]() |