Teny iditra midoboka (doboka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Midafoka mafy ka mirohana sy migoboka: Andeha isika fa midoboka ny amponga ~ Nisy nanipy vato tao amin' ny farihy ka nidoboka ny rano
Mipaika: Nidoboka ny foko teo am.piandrasana ilay vaovao
Mitovy hevitra: mitepotepo ~ mitotototo ~ mitotovary
Misamonomonona: Midoboka ny roina misy rano [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To thump; to sound like a drum [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Donner un son de tambour; produire des sons sourds ou mats [1.8]
Ohatra 
1Ny ranomasina midoboka moramora. [2.499]
2Inona ary izany : Mivelatra ilay malemy, ka midoboka Raotozafy? [2.69]
3Farany, iry erý ny tranon-dry Dada ! Midobodoboky ny hafaliana ny am-bavafo. [2.356]
4Dia ho izay henonay midoboka izay tokoa ve ny vatan-tsambo midona amin' ny vato? [2.471]
Voambolana 
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : midoboka
Ny lasa : nidoboka
Ny hoavy : hidoboka
Tovy hevitra midobodoboka

Teny iditra midoboka (doboka)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mitoetra, mipetraka, mijanona elaela amin' ny toerana iray: Nidoboka tany an.tsena tany ry zareo [1.1]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/02/12