|
|
|
|

Teny iditra 1  mijery
Fototeny  2 jery
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 [Sihanaka] mihevitra [1.78]
5 Manatodika ny maso any amin' olona na zavatra iray mba hahita azy: Sady nijery ahy izy no niteny izany
6 Mitazana: Aza mandany andro mijery eo am-baravarankely eo ianao
7 Mitandrina: Nahoana no tsy mijery izay ataonao akory ianao
8 Mihevitra: Tsy mijery afatsy ny fahamendrehany aho, / Mikarakara: Rakoto ve hijery ny mahantra
9 Mahita ka tsy miraharaha, tsy milaza: Aza mijery arma an-tava
10 Misy hevitra iraisana: mitily, mitsikilo, mizaha taratra, manazangazana, manarangarana, mangarangarana, mitaratra, manompirana, mangala-pijery, manao jery vilana, manao very maso, mitsipalotra (ny maso), mitodika, miherika, mangarika, mandritika, mijery ambony, miandrandra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  11 to look at [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12 regarder [1.8]
Ohatra  13  Misy fetra ny fahazakan' ny olona mijery na manao zava-doza. [2.472#246]
Haiendriteny 
14  Ny ankehitriny :
15  Ny lasa :
16  Ny hoavy :
17  Filaza mandidy :
Tovy hevitra  18 milajery
Mpanahaka  19  manombana, 20  manopymaso, 21  mibandrina, 22  mibanjina, 23  mikandrana, 24  mitanjo, 25  mitazana, 26  mitsirika, 27  mivandraka, 28  mivandravandra, 29  mivandrina
Fikambanana  30  Fitenena, anaran-tany, sns miisa 6 misy io teny io
Ohabolana  31  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2026/03/07