|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  mipaka (paka)
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  Mikambana, mitambatra, mikaona: Tsy mipaka tsara ny hazo amin' ity farafara ity 4  Tonga hatramy..., mikasika ny...: Aza atao mipaka amin' ny valindrihana ny boky fa ratsy endrika 5  Midona: Nipaka tamin' ny zoron-databatra ny vilia ka vaky 6  Miady: Nipaka Isambilo sy Ibalita ka nitangoronan' ny mpianatra 7  Mandritra ny... manontolo: Telo taona mipaka izy no tany Nosibe [1.1]
Ohatra  8  Hatr' amy ny lapa-bolana mipaka dia naneky izy. [2.48]
Haiendriteny 
9  Ny ankehitriny :
10  Ny lasa :
11  Ny hoavy :
12  Filaza mandidy :
Mpanahaka  13  mipoka, mipaika, mikatroka14  ngarangidina, maninjitra, manontolo, maninjihinjy
Kamban-teny 
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny mipaka io

Teny iditra (2/2)17  mipakà (paka)
Sokajin-teny  18  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mipaka
Fanazavàna teny malagasy  19  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  20  [1.3]
Tsanganana sy sary iray takila  21  Ny matoantenin' ny mpanao mandidy rehetra

Fivaditsoratra  22  akimpa, mikapa, mikapà, mipaka, mipakà, mpiakà, akimpa, mikapa, mikapà, mipaka, mipakà, mpiakà

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20