Teny iditra mivonona (vonona)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Vita fiomanana: Nivonona hiady izy matoa sahy mamaky ady
Mikasa: Nivonona hianatra izy raha vao nifoha
Manomana, manangona: Nivonona fiadiana ny tanàna
Mitovy hevitra: manatrika ~ miatrana ~ miomana ~ misikina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To get ready to be prepared [1.7]
Fanazavàna teny frantsay être prêt, se préparer à faire une chose [1.8]
Ohatra Miandry ny kalesin-dalamby izy ireo ary matahotry ny hilaozany ka mivonona adiny iray na roa alohan' ny fahatongavany. [2.470]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mivonona
Ny lasa : nivonona
Ny hoavy : hivonona
Filaza mandidy : mivonòna

Teny iditra mivonòna (vonona)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mivonona [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20