Teny iditra sitrana
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy marary intsony, manaritra: Efa sitrana i Dada ka nivoaka ny hopitaly
Mitovy hevitra: afa-doza ~ afaka aretina ~ mahatsangana ~ maty holatra ~ miafa ~ miafana ~ mihamatanjaka ~ mihatsara ~ mitsiatsia ~ nialan' aretina ~ tsy misy atahorana intsony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Healed, recovered from illness [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Guéri, rétabli [1.3]
 Guéri, rétabli après une maladie [1.8]
Ohatra Ary teo izahay voa samy tena natoky fa ho sitrana i Manana. [2.472]
Haiendriteny 
Tsotra : sitrana, sitran', sitran-
Filaza mandidy : sitràna
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra sitràna
Sokajin-teny filaza mandidin' ny mpamaritra sitrana [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay Soyez guéri [1.3]
Ohatra Sitràna soa aman-tsara [1.1]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/09/16