Teny iditra tampina
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Voasarona, mikombona, voakombona: Ela ny ela ka tampina ilay vava fery
Voatsentsina ka manjary feno ny loaka na ny lavaka: Tampina haingana ilay loaka tamin' ny lakana ka tsy niditra firy ny rano
Misy zavatra misakana, ka tsy afa-mandeha na mivoaka ny rano na ny rivotra, fempina: Tampina ny lakandrano
Zavatra entina manentsina ny hirika, ny loaka: Niala ilay tampina natao tamin' ny varavarankely tsisy fitaratra ~ Asio tampina ity akanjo ity fa loaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Plugged, corked [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Bouché [1.3, 1.8, 1.13]
 Obstrué [1.3, 1.8]
 Fermé
Ce qui bouche, obstrue, un morceau d'étoffe servant à boucher le trou d'un habit, action de boucher: Asio tampina ity pataloha ity, fa loaka (Mettez un morceau d'étoffe à ce pantalon pour boucher ce trou) [1.3]
 Fermé, cicatrisé en parlant d'une plaie. [Voambolana: Fahasalamana]
[Sakalava, Tsimihety] (de tampina). Nom d'une plante qu'on applique sur les blessures pour en faciliter la cicatrisation. Voir aussi tampinangatra. [1.196]
Ohatra 
1Rahefa tampina ny masoko, dia nandeha indray ny fiarakodia. [2.471]
2Izany fitafiana rehetra izany, na ny ambony na ny ambany, dia samy nisy tampina avokoa. [2.4]
Sampanteny 
 
Kamban-teny 
Mpanahaka  tsentsina

Teny iditra tampina
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [1.196]
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/24