|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  taona
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Fotoana ihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, na fotoana ahatafahodinan' ireo fizarana efatra: lohataona, fahavaratra, fararano, ary ririnina, ka iverenany amin' ny niandohany indray; ny taona iray dia misy volana vazaha roa ambin' ny folo, na herinandro roa amby dimampolo na andro dimy amby enimpolo sy telonjato. Ny taona malagasy (roa ambin' ny folo volana izay misy valo amby roapolo andro mahery kely tsirairay avy) dia fohy noho ny taona vazaha ka noho izany no iantsoana ny taona malagasy hoe taona miantsorona: Firy taona izao ny zanakao lahimatoa?
Marika na isa ilazana ny taona iray izay isaina hatramin' ny vanin' andro lehibe iray eo amin' ny tantara (oh. ny mariky ny isan' ny taona ampiasain' ny ankamaroan' ny firenena ankehitriny dia hatramin' ny nahafatesan' i Kristy): Taona 1960 no nahazoan' i Madagasikara ny fahaleovantenany indray
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] the year; a season
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3#681, 1.8, 1.13] année
6  [1.3#681] les saisons de l'année
7  [1.8] saison
Ohatra  8  Firy taona ianao? Roa-polo taona aho (Quel âge avez-vous? J'ai vingt ans) [1.3#681]
9  taonam-betsovetso mamy [2.817]
10  Ity fa tamy ny taom-pahavaratra [2.445#56]
11  Toy izany koa ny nanisana ny taonan'ny olona iray [2.117#123]
12  Hifarana soa aman-tsara ny taon-tsekoly [2.356#73]
13  Asesy araka ny fanombanana ny taonany izany [2.606#85]
14  Tamin' ny faha-100 taonan-dRasalama tao Antananarivo izahay no nihaona matetika [2.356#86]
Voambolana  15  Fotoana
Haiendriteny 
16  Tsotra :
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny  62  Antananarivo zato taona lasa izay (Rabary Jean-Joseph)
63  Fahatsiarovana ny fahazato taonan' ny namonoana an-dRafaralahy Andriamazoto : Martiora malagasy faharoa 1838-1938 (Rabary Jean-Joseph)
Ohabolana  64  Ohabolana misy io teny taona io
Lahatsoratra  65  Randzavola: taona ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)66  taona
Sokajin-teny  67  anarana
Fanazavàna teny malagasy  68  [1.1] Tatitra entana na zavatra hafa ho amin' ny toerana hafa
Fitarihana olona hafa hanaraka ny hevitry ny tena
Fanazavàna teny frantsay  69  [1.3#681] action de porter d'un lieu à un autre
action de porter à, de pousser, d'encourager à, de séduire, de tenter
Sampanteny 
70  Matoantenin' ny mpanao :
71  Matoantenin' ny iharana :
72  Matoantenin' ny fameno :
73  Anarana :
74  Mpamaritra :

Fivaditsoratra  75  aaton, anota, antao, atano, ataon, atona, naato, natao, tanoa, taona

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21