|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  teny
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  Feo avoakan' ny vavan' ny olombelona, izay misy heviny: Tsy nanonona teny na dia indraim-bava aza izy
4  Fitambarana tarehintsoratra misy heviny, rafipeo milaza hevitra iray ka atao indray manonona sy indray manoratra: Misy teny telo ao amin' ny hoe: "Io eo Rakoto"
5  Enti-milaza koa ny karazan-teny ampiasain' ny firenana samihafa: Mahay teny anglisy ve ianao? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  a word; speech; a language [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7  mot [1.3, 1.8, 1.13, 1.5]
8  parole [1.3, 1.8, 1.5]
9  proposition, discours, commandement, prohibition, défense, commission, la volonté exprimée des ancêtres, des parents [1.3]
10  ordre [1.5]
11  langue [1.8, 1.13]
12  langage [1.8]
Ohatra  13  ka ahoana ny teniny ahoana ny hafany? [2.131]
14  ary izao no teny nentiny nila azy: [2.293]
15  -Izany ihany no teniko aminareo, hoy ny Vazaha. [2.324]
16  Atao dikan' ilay teny grika hoe: [1.38]
Voambolana  17  Haiteny
Haiendriteny 
18  Tsotra :
Sampanteny 
19  Matoantenin' ny mpanao :
20  Matoantenin' ny iharana :
21  Matoantenin' ny fameno :
22  Anarana :
23  Mpamaritra :
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Lohateny 
Ohabolana  81  Ohabolana misy io teny teny io

Teny iditra (2/2)82  teny
Singan-teny  83  t~, eny
Sokajin-teny  84  ny lasan' ny tambinteny
Fanazavàna teny malagasy  85  Endriky ny mpamaritra matoanteny "eny" ilazana ny lasa: Nisy olona efa teny amin' ny volana ve tamin' ny taona 1920? [1.1]
Ohatra  86  Nony tonga teny atsimotsimo akaikin'ny tanàna izy, dia tsiravina nahita ny faty niampatrampatra teny [2.324]
Tsanganana sy sary iray takila  87  Ny tambinteny rehetra

Fivaditsoratra  88  enty, teny

Nohavaozina tamin' ny 2024/03/21