|
|
|
|

Teny iditra 1  tsiambaratelo
Singan-teny  2 tsy, 3 ambara, 4 telo
Sokajin-teny  5  anarana
Fanazavàna teny malagasy  6 Zavatra afenina tsy tiana ho fantatry ny be sy ny maro ka tsy lazaina afa-tsy amin' ny olona itokiana na sakaiza tiana vitsy foana: Mahatoky ahy ianao ka izany no ilazako aminao ny tsiambarateloko
7 Zava-miafina tsy fantatra: Manana tsiambaratelo betsaka ny zavaboary [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  8 [tsy ambara telo] qu'on ne dit pas à trois; secret [1.3]
9 secret [1.5#58]
Ohatra  10  Mitahiry tsiambaratelo mavesatra ny toerana maro any an' ala. [2.472#]
11  Misaotra anao aho noho ny nanambaranao izany tsiambaratelo izany! [2.270#]
12  Noraisiko ho tsiambaratelo ho ahy samirery hatry ny ela, ry Marizy havako. [2.470#]
Mpanahaka  13  am-po tsy ambara, 14  am-po tsy miloaka, 15  an' ny tena samy irery, 16  ankaro-miafina, 17  otrikafon' ny fo, 18  tahirindresaka, 19  teny mby am-bato, 20  tokantrano tsy ahahaka, 21  tsy atao eo imason' olona, 22  tsy fampitranga vahoaka, 23  zavatra tsy ambarambara

Nohavaozina tamin' ny 2026/02/26