Teny iditra tsy ahoan-tsy ahoana (tsy, ahoana)
Sokajin-teny fomba fiteny
Famaritana malagasy tsy misy antony inona, tsy misy vidiny [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy (tsy ahoana tsy ahoana) causelessly, without reason [Richardson 1885]
Tsipelina hafa 
Ohatra 
1Tena tsy ahoan-tsy ahoana ialahy, hoy izy, tena olona "vinany", tena faikam-boto! [Andraina: I Vola, takila 61]
2Fa nirehaka kosa Ifara hoe: "Tsy ahoan-tsy ahoana izany anareo indray miteraka avokoa. [Dahle: Angano, takila 64]
3Nanomboka indray ny famonoana tsy ahoan-tsy ahoana sy ny fampijaliana ny babo noho ny antony maivana. [Andriamalala: Zazavavindrano, takila 23]
4famaboana olona hatao andevo na hamidy ho andevo, famonoana sy fandringanana tsy ahoan-tsy ahoana indraindray. [Randriamamonjy: Tantara, takila 50]

2015/12/10