Teny iditra vero
Sokajin-teny anarana
Famaritana malagasy Karazan' ahitra lava, ny raviny mahitsy maranidoha (Andropogon hirtus, L). Misy karazany vitsivitsy ny vero: verobe, verofehana, veromanitra, verontsanjy [Rajemisa 1985]
Fandikana anglisy a kind of tall grass [Hallanger 1973]
Fandikana frantsay espèce d'herbe haute [Hallanger 1974]
Voambolana 
Anarana siantifika Andropogon hirtus
Sampanteny 
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Ohatra 
1Hony ray tsikizaka amam-bero
sy ray vero aman'ampanga
teto ve Andrianisazena?
[Fox: Hainteny, laharana 436]
2Lalovany ny tranony, ivarinany ny hady, itampifiany ny vody hazo, savasavainy ny vero mandifotr' olona sy ny dingadingana manolo-pasana,. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 30]
Teny nalaina 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31