Teny iditra zavaboary
Singan-teny zava- (zavatra) ; voary
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Ny zavatra rehetra noarina, izany hoe nisy mpanao fa tsy nisy ho azy: Ny anjely sy ny olombelona no ambony indrindra amin' ny zavaboary rehetra
Ny fitambaran' ny zavatra hitan' ny maso manonidina ny tena, toy ny habakabaka, ny rano, ny hazo: Lasam-binany izy nandinika ny zavaboary tamin' io maraina io [1.1]
 Fitambaran' ny manana aina, manan-kery, mihetsika na tsia ary mitoetra ato amin' izao tontolo izao sy eny amin' ny habakahaka [1.62]
Fanazavàna teny frantsay Nature [1.13]
 [ zava-boary ] Nature [1.5]
Ohatra 
1Satria tazako mantsy fa mbola misy ireo zava-boary maro be ireo [2.445]
2Izy no tompon'ny zavaboary ka manamboatra azy araka izay tiany. [2.606]
3voalohany, betsaka ny mety hahafaly, hoy izy, eo amin'ny zava-boary [2.314]
4Akory izany fahaizany milazalaza ny toetran'ny zavaboary amin' izany fotoana izany! [2.314]
Tsipelina hafa 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/24