|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  omby
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Antonona, sahaza (ka samy azo ilazana azy na ny toerana ampidiran-javatra na ny zavatra ampidirina amin' io toerana io): Be loatra ny olona nasaina fa tsy omby ny trano. / Ireo olona izaitratra ireo ve ho omby ao amin' io efitra kely io? [1.1]
4 antonona, sahaza ka samy azo faritana amin'ny io na ny ampidirana na ny ampidirina: Tsy omby ny tongony ilay kiraro / Tsy omby an' ilay kiraro ny tongony [1.62]
5 [Sihanaka] antonona [1.78]
Fanazavàna teny anglisy  6 sufficient, enough, competent, large, spacious, roomy, reaching to, arriving at. It is also used for mby [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  7 suffisant, capable de contenir, qui contient; arrivé, rendu, entré dans: Omby olona roapolo ity trano ity (Cette maison peut contenir vingt personnes) ~ Tsy omby ny tongotro ireto kiraro ireto (Ces souliers sont trop petits pour mes pieds) ~ Nony omby tao an-trano izy... (Lorsqu'il fût arrivé à la maison...) [1.3]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Kamban-teny rehetra  18  Fikambanana 13 amin' io teny io
Ohabolana  19  Ohabolana misy io teny io
Sary 
20 

Teny iditra (2/4)21  omby
Sokajin-teny  22  anarana
Fanazavàna teny malagasy  23 Biby lehibe ompiana, karazan' ny biby mampinono ary mandinika, misy tandrony roa ary trafony iray eo an-tampon-damosiny. (Teo amin' ny Ntaolo ka mandraka ankehitriny, dia anisan' ny harena lehibe ho an' ny olona ny omby; ny ilana ny omby dia ireto avy: vonoina hihinanana ny henany, terena hakana ny rononony, afahy hanatavezana azy (omby mifahy), ampitarihina sarety, akana zezika. [1.1]
24 biby lehibe tariky ny misy taolantehezana, mandinika, miteraka sy mampinono ka iray hatrany ny zanany na dia mety hiteraka kambana aza; ... [1.62]
Fanazavàna teny anglisy  25 an ox, a cow, cattle. Bos indicus, Var. [swa. Ngombe.] see ombe. [1.2]
26 a cow, an ox; cattle [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  27 boeuf, l'espèce bovine
28 grossier qui ne sait pas la politesse [1.3]
29 boeuf [1.54]
30 boeuf, vache [1.8]
Ohatra  31  Hay valan' omby tokoa no ao ary omby sivy no tsy maintsy havàhany sy havoakany hiraotra ahitra ery andrefam-bohitra [2.470]
32  ombiko ireo, nisy mpamosavy alika namoaka angamba ireo [2.472]
33  Rahefa tsy ampy ny volan' ialahy, amido amiko ny ombin-tsaretin' ialahy [2.472]
34  Ariary telo no nivarotako ny omby mifahiko (Jai vendu trente piastres le boeuf que j'avais engraissé) [1.3]
Haiendriteny 
35  Tsotra :
Sampanteny 
Anarana :
Voambolana  39  Haibiby: mampinono
Tovy hevitra  40 anombe, anomby, aombe, aomby, jamoka, mbe, ombe
Kamban-teny rehetra  41  Fikambanana 158 amin' io teny io
Anarana ara-tsiansa 
Ohabolana  43  Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  44  Soratra misy io teny io
Tsanganana sy sary iray takila  45  label="volonomby" run="omby?tv=v" />
46  label="tandrokomby" run="omby?tv=t" />Hay valan' omby tokoa no ao ary omby sivy no tsy maintsy havàhany sy havoakany hiraotra ahitra ery andrefam-bohitraOmbiko ireo, nisy mpamosavy alika namoaka angamba ireoRahefa tsy ampy ny volan' ialahy, amido amiko ny ombin-tsaretin' ialahyAriary telo no nivarotako ny omby mifahiko (Jai vendu trente piastres le boeuf que j'avais engraissé)
Nohavaozina tamin' ny 2026/02/26