Teny iditra ajanona (janona)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Aato, tsy tohizina: Najanona ny fanaovan-trano fa lany ny vola
Tsy avala hanohy ny dia: Najanon' ny mpamily teny antenatena lalamaizahay
Avala: Najanony teto ny zanany fa lasa izy
Apetraka: Ajanony tsy hianatra intsony ity zanakao ity fa efa lehibe nefa tsy manan-tsaina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be stopped [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Qu'on arrête, qu'on interrompt; [1.8]
Ohatra 
1sy izay fomba ny olom-belona tsy azo ajanona, ka tsy maintsy ho vidiny; [2.59]
2Raha vizana izy dia manao ranotsilany, ka ajanona ny tanana, fa ny tongotra ihany no mitsipaka. [1.437]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : ajanona, ajanoko, ajanonao, ajanony, ajanontsika, ajanonay, ajanonareo, ajanon', ajanon-, ajanom-, ajano-
Ny lasa : najanona, najanoko, najanonao, najanony, najanontsika, najanonay, najanonareo, najanon', najanon-, najanom-, najano-
Ny hoavy : hajanona, hajanoko, hajanonao, hajanony, hajanontsika, hajanonay, hajanonareo, hajanon', hajanon-, hajanom-, hajano-
Filaza mandidy : ajanony
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/19