|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  daka
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
3  Anarana :
Voambolana  4  Feo
Fanazavàna teny malagasy  5  Ilazana ny fidoboky ny rano mitobaka mafy na ny fitobany raha misy vaingan-javatra lehibe nalefa taminy. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6  son de l’eau dans laquelle tombe un objet lourd [1.3]

Teny iditra (2/4)7  daboka
Sokajin-teny  8  anarana
Sampanteny 
9  Matoantenin' ny mpanao :
10  Matoantenin' ny iharana :
11  Matoantenin' ny fameno :
12  Anarana :
13  Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  14  Enti-milaza: Fianjerana
15  Fitsorana mivalampatra
16  Halavoana
17  Fiaiken-keloka na fibabohana
18  Famelezana, fanatontana. [1.1]
19  kapoka mafy [2.285#314]
Fanazavàna teny anglisy  [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  20  action de battre [1.3, 1.5]
21  Chute, état de celui qui est couché, de tout son long
22  action de rosser [1.3]
23  action de tomber, de se précipiter de haut en bas, d'abandonner [1.5]
Tovy hevitra  24  daraboka

Teny iditra (3/4)25  daboka
Sokajin-teny  26  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  27  Vaventy sy matavy (teny tsy mba fampiasa manokana fa misy fanampiny mandrakariva, dia izay hita amin' ny hoe: dabo-dela, dabo-drano, dabokandro) [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  28  plein, gras [1.3]
Ohatra  29  Ny hoe " daboka " dia matavy, vaventy, no heviny [2.314]
Kamban-teny 

Teny iditra (4/4)31  daboka
Sokajin-teny  32  anarana
Voambolana  33  Toe-karena: fanorenana
Fanazavàna teny malagasy  34  hazo vaventy mandry manaraka ny tampony amin'ny rindrina mitondra ny tsivalan-kazo samihafa ipetrahan'ny tafo [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  35  sablière [1.13]
36  élément de charpente [3.1]

Fivaditsoratra  37  bodaka, daboka, dabòka, dobaka, kaboda, bodaka, daboka, dabòka, dobaka, kaboda

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/23