|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  inona
Sokajin-teny  2  mpisolo anarana [Fitanisana]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Anarana :
Mpamaritra :
Tambinteny :
Mpisolo anarana :
Fanazavàna teny malagasy  9 Enti-manontany.
10 1) Inona mpamaritra anarana dia atao eo aorian' ny anarana ka entina milaza zavatra: Hena inona no hovidina? -- nefa azo ilazana olona koa izy raha enti-manontany toetra: Olona inona iny niresaka taminao iny: mpiasa birao sa mpiasa tany? (olona iza no atao raha ny anarana mihitsy no anontaniana).
11 2) Inona mpisolo anarana koa dia enti-milaza zavatra: Inona no tianao, vomanga sa mangahazo? / Nihinana inona àry itỳ zaza itỳ izany? nefa, toy ny voalaza erỳ ambony, azo ilazana olona koa ny inona raha toetra no anontaniana: Inona ianao, kristianina sa tsy mpino? [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  12 what? [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  13 quoi? [1.8]
Fikambanana  14  Fitenena, anaran-tany, anaram-java-maniry sy ny sisa miisa 12 misy ny teny how inona
Tsanganana sy sary iray takila  15  Ny mpisolo rehetra

Teny iditra (2/2) 16  inona
Sokajin-teny  17  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  24 Fisotroana tangena [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  25 action de boire le tanguin dans l'épreuve judiciaire [1.3#281]
26 (du Soudanais : inum ; batak : minum : boire). Action de boire le tangena, d'absorber un poison judiciaire pour faire la preuve de son innocence. L'action elle-même s'appelle finomana (substantif actif) si l'on boit soi-même ; fampinomana quand le poison est administré par le juge. Celui qui réchappait de cette épreuve était dit velo-minona. [1.196]
Voambolana  27  Lalàna

Fivaditsoratra  28 Anony, 29 inano, inona, 30 ninao, 31 noany, 32 noina, 33 onina

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/19