|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  kibobo
Sokajin-teny  2  anarana
Voambolana  3  Haibiby: vorona
Fanazavàna teny malagasy  4  vorona mpisitrika anaty ahitra toy ny tsipoy fa kely toy ny: Kibobo voanfandrika ko mandremandre re ahazoana zanakakoho [Betsileo] [1.78]
5  Karazam-borona madinidinika; ohatra ny akohokely mavomavo ny habe amam-bikany, matetika hita mitsoriaka any anaty bozaka; fihinana tsara ny nofony ary tsy mba hazaina izy fa fandrihana (Turnix nigricollis) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  a species of bustard quail. Turnix nigricollis, Gon. Same as kibo, kibokely and kibotay [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  7  caille [1.19, 1.54]
8  caille (Cothurnis communis, Phasianidae) [1.5]
Ohatra  9  kibobo nihehy voro-mila hanina aza fatra-pandatsa ry zalahy fa ny mamelon-tena zava-tsarotra. [2.131]
10  Nanao andia telo ireny, samy nanana ny biby hazainy avy: tsipoy, kibobo, sahona. [2.472]
Tovy hevitra  11  kibokely, kibotay, menamaso, papelika
Tsipelina hafa  12  kibo
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny kibobo io

Teny iditra (2/4)14  kibobo
Sokajin-teny  15  anarana
Fanazavàna teny malagasy  16  hena mahia: Kibobo fa be didy (Hena mahia fa anananambe) [Betsileo] [1.78]

Teny iditra (3/4)17  kibobo
Sokajin-teny  18  anarana
Fanazavàna teny malagasy  19  trano bongo efa simba, tranon-tovovavy [Bara] [1.78]

Teny iditra (4/4)20  kibobo
Sokajin-teny  21  anarana
Fanazavàna teny malagasy  22  vovoka [Betsileo] [1.78]

Fivaditsoratra  23  biboko, kibobo

Nohavaozina tamin' ny 2022/11/01