|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  lefitra
Sokajin-teny  2  matoanteny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3  Tanty, zaka: Tsy lefitro izany teny izany [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  4  support
5  supporté, action de supporter: Tsy lefitro izany teny izany (Je ne puis supporter ces paroles) [1.3]
Ohatra  6  Toa hoe tsy lefitra ny hadisoam-beny! [2.576]
Haiendriteny 
7  Ny ankehitriny :
8  Ny lasa :
9  Ny hoavy :
Kamban-teny 
Ohabolana  11  Ohabolana misy io teny lefitra io

Teny iditra (2/4)12  lefitra
Sokajin-teny  13  anarana
Sampanteny 
14  Matoantenin' ny mpanao :
15  Matoantenin' ny iharana :
16  Matoantenin' ny fameno :
17  Anarana :
18  Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  19  Valona, foritra, lefiravina, ketrona [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  20  pli, action de se courber, de ployer, de s'incliner [1.3]
Haiendriteny 
21  Tsotra :
Kamban-teny 

Teny iditra (3/4)23  lefitra
Sokajin-teny  24  anarana
Fanazavàna teny malagasy  25  Enti-milaza izay mitana ny laharana faharoa manarakaraka ny voalohany eo amboniny: Rakoto no filoha lefitra amin' ny Fikambananay [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  26  the second in rank [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  27  lieutenant, second [1.3]
28  le second rang, le vice, l'adjoint [1.8]
Ohatra  29  Tsy eto koa ny lefitra voalohany. [2.332]
30  Araka io didim-panjakana io ihany, dia ny Komitim-pokontany izay ahitana ny lehiben' ny kartie sy lefitra roa no misahana ny fitantanana. [4.27]
Haiendriteny 
31  Tsotra :
Kamban-teny 

Teny iditra (4/4)33  lefitra
Sokajin-teny  34  anarana
Voambolana  35  Haizavamaniry
Fanazavàna teny frantsay  36  (du malais : lipit, lipat . javanais : lempit : qui se courbe facilement mais ne se rompt pas). Nom des Indigotiers, notamment Indigofera tinctoria L. (Fabaceae), dans la région de Tuléar. [Mahafaly] [1.196]
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  38  filetra, lefitra

Nohavaozina tamin' ny 2023/08/29