|
|
|
|

Teny iditra1  Madagasikara tanindrazanay
Sokajin-teny  2  anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3  [3.1] Hiran' ny MDRM, 1946. Tonony : Jacques Emma Rahamefy. Feony : Rahamefison
Voambolana  4  Haisoratra: tononkalo
Singan-teny  5  Madagasikara, tanindrazana
Mpanoratra  6  Tonony: Rahamefy Jacques Emma. Feony: Rahamefison
Lahatsoratra  7 
Lahatsiratra manontolo 
8  I
9  Madagasikara tanindrazanay!
10  Tany saro-bidy masina sy soa;
11  Lova soa navelan' ny razanay taloha;
12  Maty ho anao no tena lazanay.

13  II
14  Isika rehetra izao akanga miara-dia
15  Tsy azo tabaina na ravana koa;
16  Ka hitomban-dahy hiasa re satria
17  Io no loharano fototry ny soa.
18  III
19  Malagasy ô, andeha hifankatia;
20  Ho mpirahalahy tena iray tam-po;
21  Ny hifankahala hatao sanatria.
22  Ka iray tokoa ny saina sy ny fo.

23  Isan' andininy
24  Mitsangàna ry tanora !
25  Mitsangàna ka aza manana ahiahy;
26  Izao no andro sady ora,
27  Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.

Nohavaozina tamin' ny 2025/05/06